"Ny Fitiavako ny Tanindrazako, mamelona ny hambompom-pirenena"

Tafiditra tanteraka anatin’ny fankalazana ny faha-62 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara isika. Nisy arak’izany ny fananganan-tsaina niarahana tamin’ny Kômitim-pirenena manomana ny fetin’ny 26 Jiona (CTNO) sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena teto amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny.

 
Nandray fitenenana ny Minisitra ka nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambompom-pirenena amin’izao fankalazana izao, mba hametrahana tantara tsara ho lovain-jafy. 
 
Anisan’ny mamaritra ny firenena iray ny tadidy iombonana. Anatin’izany ny tolona nataon’ireo mpiray tanindrazana manoloana ny fampizarazarana. Iray tsy mivaky ny Malagasy ary fotoana hanamafisana izany indrindra izao fankalazana izao. 
 
Notsiahivina tamin’izany ihany koa ireo fenitra mahakasika ny fananganan-tsainampirenena malagasy mba ho fampanajana izany satria ny sainam-pirenena dia anisan’ny fanehoana hita maso ny fiandrianam-pirenena.
Fandaharana FANOVA 62 : Fanabeazana ho Olom-pirenena Vanona

Ao anatin'ny fankalazana ny faha 62 taona niverenan'ny Fahaleovantena i Madagasikara. Tafiditra indrindra anatin’ny fanamarihana izany andro manan-tantara izany ny fandaharana "FANOVA 62" izay nivahinianan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Randriamandrato Richard sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard tao amin'ny Televiziona Malagasy ny 23 jona 2022. 

 
Niompana tanteraka tamin’ny niverenan’ny Fahaleovantena ny dinidinika nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Anisan’izany ny tsiahy amin’ny nijoroan’ny Foloalindahy sy ny lafiny diplaomasia ary ny fanehoana ny fiandrianam-pirenena.
 
Hanamafy hatrany ny fitiavan-tanindrazana, ny ambompo-pirenen’ny vahoaka malagasy ary ny fanabeazana ny olompirenena ho tonga olombanona no antom-piasian’ny fandaharana, ho fanamarihina ny fankalazana ny 62 taonan'ny fahaleovan-tena.
 
Afaka arahinao manontolo amin'ity rohy ity izany dinidinika izany :https://www.youtube.com/watch?v=i9hUxldCFgI&t=1462s
Visite de la Représentante Spéciale du Secrétaire Général des Nations Unies pour la réduction des risques de catastrophe

Madagascar fait partie des pays les plus exposés aux effets du changement climatique. Dans ce cadre, la Représentante Spéciale du Secrétaire Général des Nations Unies pour la réduction des risques de catastrophe (UNDRR), Madame Mami Mizutori, effectue actuellement une visite à Madagascar.

Cette visite est importante pour soutenir les efforts déployés par le Gouvernement malagasy dans la réduction des risques de catastrophes, notamment pour la partie Sud du pays. Elle témoigne également du renforcement du partenariat entre les Nations Unies et Madagascar.

Madame Mizutori s’est entretenue avec le Ministre des Affaires étrangères, M. Richard Randriamandrato le 20 juin 2022. Elle a été accompagnée par le Directeur régional de l’UNDRR et le Coordonnateur résident du Système des Nations Unies à Madagascar.

Sous-catégories