MAE
MINISTERE DES AFFAIRES ETRANGERES

Fidinana ifotony tao amin'ny distrkan'i Bealanana

Ao anatin'ny paik'adin'ny governementa hiatrehana ny valan'aretin'ny covid19 maneranan'i Madagasikara, dia nidina ifitony tao amin'ny Distrikan'i Bealanana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, TEHINDRAZANARIVEO Liva Djacoba androany. Nandritra izany fitsidihana izany no nitondrany fanentanana ho an'ireo vahoakan' Bealanana amin'ny fomba hisoroana ity valan'aretina ity.

Nitondra ireo vatsy entina miady amin'ny valan'aretina ihany koa ny minisitra, toy ny tambavy CVO, ny aro-tava, sinibe sy savony entina hanasana tanana, fitaovana hamendrahana fanafody ny tanana sy fitaovana entinin'ireo dokotera miasa ihany koa.





B.P 836, Rue Andriamifidy,
Anosy 101 Antananarivo - Madagascar
Mail: info-web@diplomatie.gov.mg

© Copyright 2015 - MINISTÈRE DES AFFAIRES ETRANGÈRES