
Fambolen-kazo niarahan’ny fianakaviamben’ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny
Notanterahana ny 29 janoary ny fambolen-kazo niarahan’ny fianakaviamben’ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, izay notarihin’ny Minisitra, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva, ary niarahana tamin’ny solontenan’ireo masoivoho sy fikambanana iraisam-pirenanana miasa eto Madagasikara. Zana-kazo na akasia, voandelaka ary zakarandà miisa 2500 no novolena teny amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatomirahavavy tamin’ity androany ity.