Tatitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva teo anatrehan’ny Antenimierampirenena, ny 15 jona 2021
Tontosa anio 15 jona 2021 teo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena ny tatitra nataon’ny Minisitra Dr. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva, momba ny asa notanterahan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny nandritra ny taona 2020.
Nampahatsiahivina fa mifantoka amin’ny fampanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny asan’izany Minisitera izany, eo amin’ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben’ny fanjakana.
