Fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2024

 
 
Notontosaina androany 26 janoary 2024 teny amin'ny tanàna vaovao TANAMASOANDRO, Imerintsiatosika ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny taomp-pambolen-kazo ho an'ity taona ity. Nitarika ny hetsika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady, ho fanatanterahana ny fanamby lehibe napetrany dia ny fandrakofana ala sy ny famerenana indray an'i Madagasikara ho maitso.
 
Nambaran'ny Filoham-pirenena tao anatin'ny lahateniny fa manana zavaboahary tsy fahita afa tsy eto Madagasikara isika,ka andeha hiara hanamaitso indray ity Nosintsika ity.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo ny fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny notarihin’ny Minisitra RASATA Rafaravavitafika.
 
Mamporisika ny rehetra hamita ny adidiny ho an'ny taranaka sady ho fanatsarana ny tontolo iainana ny minisitry ny raharaham-bahiny.
 
"Fambolen-kazo : manarina tontolo iainana, mamelon'aina"