Fananganan-tsaina ny alatsinainy faha 22 janoary 2024

 
Notanterahina androany maraina ny fananganan-tsaina voalohany niarahana tamin'ny Ministry ny Raharaham - bahiny vaovao Ramatoa RASATA Rafaravavitafika.
Herinandro vaovao isantarana ny asa eo anivon’ny Minisitera, ho fanatanterahana ny fanamby izay notakian’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ao anaty ny 100 andro. Nantitranteriny fa vokatra azo tsapain-tanana amin’ny maha Minisitera miaro ny fiandrianam-pirenena no andrasana mandritra izany 100 andro izany.
Nandritra ny lahateniny dia teboka maro no nivoitra, anisan’izany ny fanafainganana ny famoahana ny pasipaoro ho an’ireo malagasy am-pielezana. Nambarany ihany koa ny fahalanian’ny «organigramme » nasiam-panovana teo anivon’ny governemanta ny sabotsy lasa teo.“𝐴𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 ℎ𝑎𝑖𝑛𝑔𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑚𝑒𝑛𝑑𝑟𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑜 𝑖𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎", hoy izy.
Nanentana ireo mpiara-miasa ihany koa izy mba hiray hina sy mba hijery manokana ny hetahetan’ny mpiasa. Teo am-pamaranana ny fandraisam-pitenenany dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fahaizana mandray vahiny mba ho fitaratra sy ho fiarovana ny voninahitr’i Madagasikara.