Fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governementa vaovao

Notendrena androany 14 janoary 2024 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo Minisitra handrafitra ny Governemanta vaovao.

Ny fianakaviamben'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny dia faly miarahaba an-dRamatoa 𝗥𝗔𝗦𝗔𝗧𝗔 𝗥𝗮𝗳𝗮𝗿𝗮𝘃𝗮𝘃𝗶𝘁𝗮𝗳𝗶𝗸𝗮 amin’izao nanendrena azy ho Minisitry ny Raharaham-bahiny izao. Avy eo anivon'ny Andrianjohany « Agent diplomatiques et consulaires » andiany "Ilaina" ny tenany ary nitazona ny andraikitra Tale misahana ny fanitarana ara-toekarena « Directeur de l’Expansion économique» talohan’ny nahavoatendry azy.
 
Mirary fahombiazana ho anao Ramatoa minisitra amin'ny adidy lehibe sy ny andraikitra sahaninao.