Dinika politika andiany faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina

🔶Tontosa androany teto anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny dinika politika « Dialogue politique », andiany faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina (UE), araka ny andiny faha-8 amin'ny fifanarahan'i Cotonou momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fikambanan'ireo firenena aty Afrika, Caraibes sy Pacifique «Accord de Cotonou relatif à la coopération entre l’Union européenne et l’Organisation des Etats d’Afrique, Caraïbes et Pacifique – OEACP ».
 
🔶Lohahevitra maromaro no nodinihana tamin’ izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Anisan’izany ny ady eo amin’ny Ukraine sy Rosia, ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenenena, ny fifandraisana eo amin’ny lafiny toekarena, ny angovo, ny tanora sy ny fandraharahana amin’ny ankapobeny.
 
🔶Hita soritra ny finiavana eo amin’ny andaniny sy ankilany amin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa.