Filankevitry ny Minisitrin'ny Ranomasimbe indianina andiany faha 37 izay noraisin'i Madagasikara

Ny 17 mai 2023 tao amin’ny CCI Ivato no nanatanterahana ny andiany faha-37 ny Filan-kevitry ny Minisitry ny « Commission de l’océan Indien » izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny malagasy amin’ny maha filohan’io Vondrona io an’i Madagasikara.
 
Tonga nanatrika izany ny Sekretera jeneralin’ny COI sy ireo Minisitra misahana ny Raharaham-bahiny ao amin’ireo Nosy rahavavy Comores, France (La Réunion), Maurice ary Seychelles. Tao ihany koa ireo solotenan’ireo mpikambana tsy raikitra sy ireo mpiara-miombona antoka ao amin’ny COI toy an’ny Chine, Inde, Japon, ny Vondrona eoropeana, ny Firenenan mikambana, ny OIF ary ny Fanjakana Malte.
 
Ny Minisitra Yvette SYLLA no nitarika ny fivoriana. Navoitrany nandritry ny lahateniny ny zava-bitan’i Madagasikara nandritry ny naha filohan’ny fikambanana azy nanomboka ny 23 febroary tao Paris. Anatin’izany ny nahatanterahana ny fanatsarana sy fampivoarana ny rafitry ny COI. Nohamafisiny ihany koa ireo zava-bita manodidina ireo lahara-pahamehana nosafidin’i Madagasikara dia ny fiarovana an-dranomasina, ny fanjariantsakafo ary ny fifanakalozana ara-barotra ao anatin’ny ranomasimbe indianina.
 
Tapitra omaly moa ny fotoana nitondran’i Madagasikara ny COI ka ny nosy Maurice no hitarika izany fikambanana izany indray mandritry ny erintaona manaraka.
 
Fahombiazana tanteraka ny fotoana nitondran’i Madagasikara ny Vondrona raha ny nambaran’ireo solontenan’ireo firenen-kafa ary nilaza ny fahafaham-pony izy ireo ny amin’ny fandraisana sy ny fikarakarana rehetra natao.
 
🇲🇬 Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara 🇲🇬
 
348258484 1207256079986350 8871669163131030764 n
 
 
 
Nofaranana tamin’ny lanonana famindram-pahefana na « passation de fanion » teo amin’i Madagasikara sy Maurice ny Filankevitry ny Minisitry ny COI notanterahina teto Antananarivo omaly, noravahana fampisehoana ara-kolotsaina miavaka, manome lanja ny harena ara-kolotoraly ananan’ireo faritra 23 eto Madagasikara.
 
347768165 166701893029306 7827301841676021784 n
 
Ny mpiasa mpikambana ao amin'ny ASSCAMAE eto anivon'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ihany no nikarakara izao hetsika ara-kolotsaina mahafinaritra izao.
 
348266442 1113905579569661 5059823851468923816 n
https://www.commissionoceanindien.org/37e-conseil-des-ministres-de-la-coi-un-cap-fixe-pour-les-biens-publics-regionaux/?fbclid=IwAR05f8n8f-on0hKY-nsBtneF4oZ5AdSgYsGoeFh3rkD64kd16uOiWb3kVtI
 
 
https://www.commissionoceanindien.org/presidence-malagasy-de-la-coi-une-impulsion-pour-la-securite-la-relance-et-la-jeunesse-mai-2023-cloned/?fbclid=IwAR0T_kp3JA1hPYpy8yhpYas9fD-GaBvzRidQy7unG5SHjObWqLp4cyjylzQ