Fankalazana ny « hetsika iraisam-pirenena hoan’ny faritra » andiany i- faritra analamanga

Tontosa androany faha 26 novambra tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahan-tena ny fanokafana ofisialy ny «Hetsika iraisam-pirenena hoan’ny Faritra », Andiany I. Nisantatra izany hetsika lehibe izany ny faritra Analamanga ary mbola hoavy ihany koa ny any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy. Mikarakara izany ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ny Ministeran'ny Atitany ary ny fiadidian’ny faritra Analamanga.

Haharitra telo andro izany ka ho hita eny an-toerana ireo tranoheva maro mampiranty ny mampiavaka ny faritra Analamanga. Eo koa ny loabary an-dasy hifanakalozan’ireo mpiaramiombon’antoka eo amin’ny sehatra tsy miankina, ireo ministera samihafa ary koa ireo Malagasy am-pielezana.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra, lehiben’ny governinementa, Ntsay Christian. Notronin’ireo mitondra fanjakana maro samihafa sy ny masoivoho vahiny miasa eto amintsika. Nanamafy ny praiminisitra tamin’ny lahateniny ny maha zava dehibe ny faritra eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nanteriny koa fa tokony hotohizana ny ezaka tahaka izao mba atao indro isan-taona. Nanamafy izany ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo nisolo tena ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Fotoana iray natokana hanomezan-danja ny maha izy azy ny faritra ity hetsika iraisam-pirenena ity, araka ny nambaran’izy ireo.

Tafiditra anatin’ny Vinan’ny filoham-pirenena izany ho fanamafisana ny diplomasia ara-toe-karena. Tanjon’ny hetsika ny fifampifandraisana ny faritra rehetra amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany mba hahafahan’izy ireo midinika sy mifanakalo hevitra hirosoana amin’ny fampivoarana ara-ekonomika sy ara-barotra.

JI

JI1JI2JI3JI6JI9