IZAY MAMBOLY HAZO MAMELONA AINA, IZAY MAMBOLY HAZO MAMELONA AN'I MADAGASIKARA

Zana-kazo miisa 9700 no novolena androany nandritry ny fambolen-kazo niarahan'ny fianakaviam-ben'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny sy ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena teny amin'ny Base Aérienne 213 Arivonimamo.
 
Nitarika izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly GELLE Serge, notronon'ireo tompon'andraikim-panjakana ambony avy amin'ny Ministera roa tonta sy ny avy ao amin'ny Faritra Itasy.
 
Tamberin'adidy ho an'ny Tanindrazana sy ny taranaka ny fambolen-kazo sady fanantaterahana ny vina "Madagasikara ho rakotr'ala indray" araky ny Velirano faha 10.