Fihaonan’ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo Solombavam-bahoaka

Nandray ny anjara fitenenany teo anoloan’ireo Solombavam-bahoaka ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Richard Randriamandrato ny 29 jona 2022 hariva ka namaly ireo fanontaniana sy fanamarihana napetraka taminy.

Nisaotra ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian ny tenany tamin’ny tatitra feno dia feno izany nataony momba ny asa vitan’ny Governemanta izay tarihiny.

Na dia teo aza ny krizy maro samihafa dia niezaka mafy ny Governemanta handoavana ireo vary mangatsiaka mikasika ny latsakemboka eo anivon’ny SADC nandritra ny taona maro izay mitentina 11 tapitrisa dolara mahery. Ankehitriny dia 4 tapitrisa dolara sisa no tokony ho efaina ka efa vita ny fifanarahana amin’ny fandoavana izany hatramin’ny taona hoavy io.

Nasian’ny Minisitra teny ny mikasika ny fitokonana sendikaly misy eo anivon’ny Ministera. « Mino isika fa ho voavaha ny olana izay napetraky ny mpiara-miasa » hoy ny Minisitra. Mbola mitohy kosa ny « service minimum » eo anivon’ny Ministera.

Efa misy ny didim-panjakana noraisina ny taona 2018 momba ny fitakiana tambin-karama ka io didim-panjakana io no ho ampiharina araky ny fitohizan’ny raharaham-panjakana.

Mitohy ny resaka fiodinana eo amin’ireo mpiasa any amin’ireo masoivoho sy ny eto an-toerana araky ny fandaminana efa napetraka ny taona 2019 ary efa eo am-pikarakarana izany ny Ministera amin’izao fotoana izao.

Anatin’izany dia niantso ny fitoniana sy ny firaisan-kinan’ny rehetra ny Minisitra. Tsy tokony ho afangaro hoy izy ny adilahy politika sy ny hetsika sendikaly:https://youtu.be/i9IrhismeuE