"Ny Fitiavako ny Tanindrazako, mamelona ny hambompom-pirenena"

Tafiditra tanteraka anatin’ny fankalazana ny faha-62 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara isika. Nisy arak’izany ny fananganan-tsaina niarahana tamin’ny Kômitim-pirenena manomana ny fetin’ny 26 Jiona (CTNO) sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena teto amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny.

 
Nandray fitenenana ny Minisitra ka nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambompom-pirenena amin’izao fankalazana izao, mba hametrahana tantara tsara ho lovain-jafy. 
 
Anisan’ny mamaritra ny firenena iray ny tadidy iombonana. Anatin’izany ny tolona nataon’ireo mpiray tanindrazana manoloana ny fampizarazarana. Iray tsy mivaky ny Malagasy ary fotoana hanamafisana izany indrindra izao fankalazana izao. 
 
Notsiahivina tamin’izany ihany koa ireo fenitra mahakasika ny fananganan-tsainampirenena malagasy mba ho fampanajana izany satria ny sainam-pirenena dia anisan’ny fanehoana hita maso ny fiandrianam-pirenena.