Tatitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva teo anatrehan’ny Antenimierampirenena, ny 15 jona 2021

Tontosa anio 15 jona 2021 teo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena ny tatitra nataon’ny Minisitra Dr. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva, momba ny asa notanterahan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny nandritra ny taona 2020.

Nampahatsiahivina fa mifantoka amin’ny fampanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny asan’izany Minisitera izany, eo amin’ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben’ny fanjakana.

Mikasika ny fitakiana ny hiverenan’ireo Nosy malagasy eo amin’ny lakandranon’i Mozambika ho an’i Madagasikara, dia notaterina teo amin’ny Antenimieram-pirenena ireo dingana isan-tokony efa nataon’ny Fanjakana malagasy. Anisan’izany ny fifampiraharahana mivantana amin’ny fitondram-panjakana frantsay, ary ao indrindra koa ny fanentanana ny firaisankina eo amin’ny samy tany Afrikana, indrindra fa ny aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, eo anivon’ny SADC.

Anisan’ny andraikitra sahanin’ny Minisitera koa ny fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra manoloana ny ady atao amin’ny valan’aretina Covid-19. Tao ny fanokafana làlana tany amin’ireo firenena namana sy fikambanana iraisam-pirenena mpiara-miasa amin’ny Madagasikara, ka nahazoana fanampiana maro isan-karazany ho an’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa miisa 13 hatramin’izao ireo firenena nanolotra fanampiana ho an’i Madagasikara eo amin’ny ady amin’ny Covid-19.

Araka ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA dia tsy hisy intsony ny faritra ho adino eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mivoy izany fampandrosoana ifotony izany koa ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny Faritra rehetra eto Madagasikara sy ny harena ao aminy. Izany indrindra no nanombohana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Journée Internationale des Régions) izay hanasana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpampiasa vola avy any ivelany ary ny malagasy am-pielezana mba hirotsaka amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana misy any amin’ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Ny taona 2020 no nanombohana izany teto amin’ny Faritra Analamanga, ary mbola hotohizana amin’ny faritra hafa.

Tanjona lehibe hotratrarin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny koa ny fampandraisana anjara be be kokoa an’i Madagasikara eo amin’ireo kômity sy vaomieran’asa iraisam-pirenena izay ahazoany miaro kokoa ny tombon-tsoan’ny vahoaka malagasy. Ao koa ny fampirisihana ny malagasy hiditra hiasa amin’ireo vondrona na fikambanana iraisam-pirenena izay misy an’i Madagasikara, mba hitondra avo ny fahaiza-manaon’ny malagasy eo amin’ireny sehatra ireny ka hampitombo ny laza sy ny hambom-pon’ny Firenena.

Naneho ny fanohanany feno izany ezaky ny diplaomasia malagasy ho fampandrosoana ny firenena izany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine sy ireo lehiben’ny Vaomieran’asa isan-tokony ary ireo solombavambahoaka nanatrika ny fanoloran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny izany tatitra izany.