Fitsidihana tany amin’ny faritra Sofia

Miroso hatrany amin’ny fanamafisana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid19 ny fitondram-panjakana malagasy ary mandray ireo fepetra hentitra manoloana izany.

Ny faran’ny herinandro teo dia nidina tany amin’ny Faritr’i Sofia, nijery ifotony ny zavamisy tany an-toerana ireo solontenan’ny fitondram-panjakana, izay notarihan’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian. Nandrafitra izany delegasiôna izany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A. S. Oliva, izay sady mpiahy ny Faritr’i Sofia no zanaky ny Faritra rahateo. Efa saika voakasik’ity valan’aretina Covid19 ity avokoa ny Faritra eto Madagasikara, ary voasokajy ho isan’ny Faritra mena amin’izany ny Faritr’i Sofia satria efa ahitana ilay karazana Covid19 avy atsy Afrika atsimo ao Bealanana, Distrika iray mirafitra ao aminy.

Araka izany dia nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao Bealanana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, niara-nidinika ireo fomba hentitra hamongorana ny fiparitahan’ity valan’aretina mahery vaika ity. Tapaka tamin’izany fa hamafisina ny sisin-tanin’ny Faritra Sofia, ary arahi-maso akaiky ireo mpianatra avy any Mahajanga tonga any an-toerana, amin’ny fitokana-monina tsy maintsy ataon’izy ireo mandram-pahazoana ny valin’ny fitilina.

Fampitaovana manokana ho an’ireo mpitsabo sy ireo toeram-pitsaboana rehetra ao amin’ny Faritr’i Sofia, « bouteille à oxygène » miisa roa isaky ny Distrika fito ao aminy, fanafody maro ampy iatrehana ny valan’aretina any an-toerana, ireo no natolotry ny fitondram-panjakana malagasy nandritra ity fidinana ifotony ity. Tetsy andanin’izany dia nanamafy ny fanentanana ireo mponina any an-toerana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A. S. Oliva, amin’ny tsy maintsy hanajana ireo fepetra sakana iadiana amin’ity valan’aretina ity.