Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy 2021

“Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin'ny fampandrosoana lovain-jafy". Izay no lohahevitra nitondra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy tamin’ity taona 2021 ity teto Madagasikara.

 

Nanome voninahitra ny lanonana fankalazana izany andro izany ho an’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, izay notontosaina ny tolakandron’ny 9 marsa 2021, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A. S. Oliva.
 
Nanambarany tamin’izany fa maro ireo adidy takian’ny fiaraha-monina sy ny sehatra samihafa amin’ny vehivavy, mba hitondran’izy ireo ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nohamafisiny koa fa tokony hitombo hatrany ny fanajana sy ny fisitrahana ny zo aman-kasina hananan’izy ireo.
 
Nanamarika izany fankalazana izany tamin’ny fomba miavaka koa ny vehivavy teto amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, tamin’ny alalan’ny ezaka fanohanana ny akanin-jaza izay hanabeazana ireo zaza miisa fito mianadahy, izay zanaky ny mpiara-miasa ato amin’ny Minisitera.
Kidoro sy lamba firakotra, fitaovana famanàna rano, kilalao, ireo no fanomezana natolotra ny akanin-jaza, izay azo avy amin’ny tsipaipaika nataon’ireo vehivavin’ny Minisitera sy ny Sendikan’ny mpiasa (SYNCORMAE). Ho mariky ny fandraisany anjara manokana amin’ny fampitaovana ity akanin-jaza ity dia nanolotra fanampiana mitentina roa hetsy ariary ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.