Fanaovam-beloma farany Itompokolahy LAHADY Samuel

Araka ny toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, sy ny Praiministra Ntsay Christian dia nisolo tena ny fitondran-panjakana tamin’ny lanonana fanaovam-beloma farany an’Itompokolahy LAHADY Samuel  ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva.
Itompokolahy LAHADY Samuel, izay nodimandry ny 02 marsa lasa teo, dia Goverinoran’ny Faritany mizaka-tenan’i Toamasina tamin’ny taona 2001 ka hatramin’ny 2002, ary ambasadaoron’i Madagasikara tany Alzeria sy Alemanina koa (1990-1994).