Fihaonana tamin'ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo

Nandray ny solontenan’ny Masoivohon’ny Afrika Atsimo ny Minisitry ny Raharahambahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A.S. Oliva, ny tolakandron’ny alahady 10 janoary 2021. Ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko milanja 73, 5 kg no votoantin’ny dinika. Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA, dia nandray ny andraikitra tandrify azy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny eo amin’ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny tany roa tonta, mba hamerenena ireo harem-pirenena ireo eto Madagasikara sy ireo izay tratra tany Afrika Atsimo tamin’izao raharaha izao. Arak’izany dia natolotr’Andriamatoa Minisitra mivantana tamin’ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny antonta-taratasy mirakitra izany fangatahan’ny Fanjakana malagasy izany.