𝑳𝑨𝑵𝑶𝑵𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑺𝑨𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑨𝑵𝑬𝑻𝑹𝑰𝑲𝑬𝑻𝑹𝑰𝑲𝑨 𝑵𝑨𝑵𝑫𝑹𝑨𝑰𝑺𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑨𝑵𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑲𝑶𝑳𝑶𝑵𝑬𝑳𝒀 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑰𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑪𝑯𝑨𝑬̈𝑳, 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑽𝑨𝑶𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑹𝑬𝑷𝑶𝑩𝑳𝑰𝑲𝑨𝑵’𝑰 𝑴𝑨𝑫𝑨𝑮𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨𝑹𝑨

Tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy, no nanatanterahana ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’i Kolonely Randrianirina Michaël, izay voatendry ho Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana laharana faha 10-HCC/D3, tamin'ny 14 oktobra 2025.
Nanatrika izany ireo mpikambana avy amin’ny Fitsarana Avo, ireo Manamboninahitra sivily miaramila, ireo tomponandraikitra ambony maro samihafa, ireo Raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ireo Masoivoho maro miasa sy monina eto Madagasikara, ary ny solontenan'ireo tanora nandray anjara tamin'ny tolom-bahoaka.
Nisongadina nandritra ity fotoana ity ireo andraikitra sy fanamby lehibe miandry ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, izay mitaky fahitsiana sy fahaiza-manao matihanina amin’ny famolavolana ny Firenena ao anatin’ny fitondrana tan-dalàna hatrany. Laharampahamehana hoy izy, ny hitondrana vahaolana haingana sy maharitra ka hivoahana amin’izao fahasarotana ara-tsosialy sy ara-toe-karena izao, sy ny hamaliana ny hetahetan’ireo mponina ifotony. Araka izany dia naneho fahavononana tanteraka hiatrika izany ny tenany, ary niantso ny rehetra hifanome tanana sy hifanohana ihany koa mba hanatratrarana miaraka izany tanjona lehibe izany.