Ho tohin'ny fitakiana ny hamerenana amin’i Madagasikara ny TANGORONOSY GLORIEUSES, NY NOSY JUAN DE NOVA, EUROPA ary BASSAS DA INDIA dia hanatanteraka fanangonan-kevitra faobe antsoina hoe “DINIKA NOSY MALAGASY : AMPITAO NY HEVITRAO” ny Fitondram-panjakana ny 9, 10 ary 11 desambra 2019.
Koa entanina ny olom-pirenena sy ny hery velona mijoro eto an-tanindrazana sy any ivelany mba hampita izay fehin-kevitra, tahirin-kevitra na antontan-kevitra ampelatanany mikasika ireo Nosy ireo, na an-tsoratra, na feo, na an-tsary, mba haroso mandritra io Dinika lehibe io.
Toa izao ny fomba fandraisana anjara :
Miandrandra ny firaisankina sy ny firaisampon’ny Malagasy manoloana ny fananam-pirenena.
Mankasitraka indrindra
Rohy momba ny taratasy ho fenoin'ny mpampita hevitra
Lien pour le formulaire sur la collecte des données relatives aux Iles Malagasy
https://drive.google.com/file/d/0B8EmlBkney-6VkVWSVR4MmtZMEc4ckM1aldIMkFVb1lXV0lF/